Efa nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny Alatsinainy teo ny sambo Pancarana Victory nitondra Vary Tsinjo 25000tonnes. Efa an-dalana ary andrasana ho tonga ao Toamasina ny 7 febroary izao Ihany koa ny sambo faha-8 Momentum Phonix mitondra Vary Tsinjo 10 000tonnes. Ny sambo faha-10 Popel Progress kosa dia efa ao Inde ary hihazo an’i Madagasikara afaka 10 na 15 andro miaraka amin’ny Vary tsinjo 9000tonnes entiny.
Ampy tsara ny Vary noho ireo sambo efa tonga sy ireo mbola eny andalana ary koa ireo vao hanainga. Noho izany, dia tsy misy antony mihitsy ny hiakaran’ny vidim-bary eto Madagasikara amin’izao vanim-potoan’ny maitso ahitra izao.