Manana adidy miasa mafy sy mamaha olana haingana ary manampy anareo vahoaka ny tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratongany. Nojerena ihany koa androany ireo tokantrano miisa 199 izay rava fananana sy ireo olona miisa 855 tsy manan-kialofana mitoby amin’ireo toerana 3 natokana handraisana an-tanana azy ireo, dia eto Ambarilava, EPP Ankadibe ary ny EPP Zanabahoaka eto Moramanga.
Ary satria moa nisy lasan’ny rano ny fananan’izy ireo dia ho zaraina lamba sy fitafiana izy ireo ary ho tolorana tohana ara-bola na « tosika fameno » 100.000ariary isam-pianakaviana. Eo ihany koa ny fiahiana ara-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny rehetra.
Rehefa mitsika ny rano, dia hisy ny fanarenana ireo voly, ary efa misy ny planina niarahana tamin’ny Praiminisitra (fanomezana, ketsa, masom-boly, fitaovana ireo mpamboly) . Hojerena ihany koa ny fomba hanarenana ireo trano simba.
Tolorako fisaorana manokana ny Mompera Carmes sy ny Fiangonana Katolika nifanome tanana tamin’ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanomezana toerana handraisana ireo traboina. Ary manantitra ny hafatra ho ireo olom-boafidy sy ireo olom-boatendry tsy ankanavaka mba samy hahatsapa ireo tamberin’andraikitra andrasan’ny vahoaka amintsika.