Manoloana ny voina sy ny tondra-drano nateraky ny oram-be nikija nandritra izay roa andro, dia ny alatsinainy 17 sy ny 18 janoary, dia nanapa-kevitra ny hanemotra ny diany ho any Mahanoro izay tokony nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo ny Filoha Andry Rajoelina.
Misy ireo ezaka nataon'ny mpamonjy voina, ny avy ao amin’ny BNGRC, ireo ministera isan-tsokajiny ary miantso ny fifanomezan-tanana avy amin’ny rehetra ny Filoha ho fanampiana ireo marobe traboina noho ny fiakaran’ny rano na tadindonin-doza noha ny mety hiotsahan’ny tany na ko hirodanan’ny trano fonenany. Marihina fa efa marobe ireo toerana natoka handraisana ireo traboina ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny kianja mitafon’i Mahamasina, na ny eny amin’ny gymnase eny Akorondrano sy ny eny amin’ny ANS eny Ampefiloha.
Nananganana trano heva ihany koa ny amina toerana sasany eny amin’ny fokotany iaram-boina toa ny eny Ambohipotsy, Amboditsiry, Besarety, Ambohimanarina sy ny maro hafa. Noho ny fiakaran’ny rano efa manerana ny tananan’Antananarivo mihitsy dia milaza ireo tomponandraikitra fa raha mbola mitohy ny rotsak’orana dia mety ho tonga hatrany amin’ny fampiasana ireny trano fianarana handraisana ireo traboina. Mikasika izay fianarana izay indrindra, nanapakevitra ny avy ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazana fa aato ny fampianarana manerana ny faritra Analamanga ny 20 sy 21 janoary ho fitsinjovana ireo mpianatra manoloana ireo mety ho ambana ateraky ny rotsak’orana sy ny fiantraikany