Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), Kristalina GEORGIEVA, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 23 septambra 2021 tao amin’ny foiben’ny FMI tao Washington DC. Ny Filohan’ny Repoblika Malagasy no filoha voalohany noraisin’ity Tale Jeneralin’ny FMI ity taorian’ny valanaretina covid-19.
Nahazo famatsiam-bola mitentina 332 tapitrisa dolara na « allocation spéciale non remboursable » i Madagasikara entina hanarenana ny firenena taorian’ny Covid-19. Tapaka nandritra ity fihaonana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny FMI sy ny Filoham-pirenena Malagasy ity ihany koa ny hampiasana io vola io ary azo ampiasaina avy hatrany izany hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana sy ireo veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA. Anisan’ny hisitraka izany ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny fampiasa ny angovo azo havaoizina, ny fiahiana ara-tsosialy, ny rano indrindra ny Atsimon’ny Nosy sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Nandritra izao fihaonana izao ihany koa, dia niady mafy ho an’ny fanafoanana ny trosan’ireo firenena ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny hanampiana ireo firenena hanamafy ny fiharenan-dohan’izy ireo sy ny fanarenana ara-toekarena aorian’ny covid-19.