Nitohy ny Asabotsy 9 oktobra, ny fitsidihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Faritra Matsiatra Ambony, izay efa natombony zoma tolakandro.

Maro ireo fotodrafitrasa sy tetikasam-pampandrosoana izay efa natokan'ny fitondram-panjakana ho an’ity Faritra ity, ka niroso tamin'ny fanokanana an'ireo izay efa tontosa ny tenany ka anisan'izany : ny fitokanana ny EPP manara-penitra tao Mahamanina Fianarantsoa, ny fanomezana ny mari-pankasitrahana ireo mpiofana tamin’ny Asa Avotra, ny fitokanana ny Fonja ao Volamena ao amin'ny Distrika Lalangina sy ny "Détachement spécial et de sécurité" (DSS) tao Ambalakindresy - Ambohimasoa ary ny Kianja Manarapenitra Ambalavao. « Tsy diso anjara ianareo eto Fianarantsoa fa dia omena sekoly tsara tarehy toy izao, mba hazoto hianatra tsara ny mpianatra », hoy ny Filoha Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny EPP Manara-penitra Mahamanina. Misy efitrano fianarana miisa 12 ity sekoly ity ary afaka mandray mpianatra hatramin’ny 600 isa. Fanamby napetraky ny Filoha, ny fampitomboana ny isan'ny trano fianarana manerana ny Nosy. Miara-dalana amin'izany ihany koa ny fizarana boky sy rakibolana sy ireo "tablettes" ho an'ireo mpianatra. Noharabain’ny Filoha manokana ihany koa ireo mpampianatra, izay nahazo fifanaraham-piaraha-miasa ho mpiasam-panjakana tao Fianarantsoa, raha toa ka efa niandry an'izany efa ela ireto farany. Efa maro no tafiditra, hoy Filoham-pirenena, ary mbola hitohy hatrany ny ezaka isan-taona, ary hitombo hatrany ny isan'ny mpampianatra ho raisina miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

 

Tetikasa fampandrosoana 33

 

Tao amin’ny Kianja mitafon’i Fianarantsoa kosa no notolorana “attestation” ireo mpiofana miisa 4000 izay tafiditra ao anatin’ny ASA AVOTRA izay fandaharan’asa fiahiana sosialin’ny Fitondram-panjakana. Ireo ankohonana sahirana voakasiky  ny fihibohana toy ireo very asa sy tena marefo no nisitraka izany mba hahafahany mivelona sy mihary no sady mampandroso ny tanàna. Fiofanana mahakasika ny asa madinika toy ny fanamboarana “béton”, ny rarivato, ny fikarakaraina zaridaina ary fanamboarana lalan-kely no nomena azy ireo ka nahafahana nanatanteraka tetikasa miisa 33 tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny tanànan’i Fianarantsoa apetraky ny Fitondram-panjaka. 63% tamin’ireo nanatanteraka ny asa ho an’ny Kaominina Fianarantsoa renivohitra dia vehivavy avokoa. Na amin’ny andro sarotra, na amin’ny andro mora dia tsy maintsy mifanampy sy mifampitsinjo isika hoy ny Filoha Andry Rajoelina, satria natao hifameno ihany koa.

 

Fonja manarapenitra

 

Vita tanteraka ihany koa ny fonja manarapenitra ao Volamena Ambalakely Fianarantsoa, izay Fotodrafitr’asa naorina mba ho toerana fanitsiana ireo meloka, ary hananan’izy ireo ny zo sy ny hasina maha-olona ka hahafahany hiverina indray ho olom-banona eny anivon’ny fiarahamonina. Ho fanatanterahana ny Velirano fahatelo izay nifanaovan'ny Filoha RAJOELINA tamin’ny vahoaka Malagasy dia mitohy hatrany ny asa fijerena sy fitsinjovana ny zo fototra maha olona, ary ny fiantohana ny fandriampahalemana ka nananganana ny Fonja manara-penitra ao Volamena Ambalakely. Ho fanalalahana ireo fonja izay efa feno manerana an’I Madagasikara ihany koa ny tanjona amin’ny nananganana ireo fonja vaovao ankehitriny ireo. Nanolotra fiara iray ho fitaterana an'ireo voafonja ao amin'ny fonja Volamena Ambalakely ihany koa, ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy adinon'ny Filoha ihany koa ny nitondra fanampiana ho an'ireo mponina ao amin'ny Commune Ambalakely, ka nanome toky izy fa hametrahana CSB II manara-penitra ao antoerana ho fanampiana ny mponina amin'ny sehatry ny fitsaboana sy ny fahasalamam-bahoaka, miaraka amin'ny tranon'ny mpitsabo sy ny mpampivelona.

 

Ho an’ny fandriampahalemana

 

Tonga tao Ambalankidresy ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina  io androa io, nanatanteraka ny Fitokanana ny « Détachement Spécial Sécurité Ambalakindresy » (DSS) tao amin’ny Kaominina Ambalakindresy- Distrikan’Ambohimahasoa. Handry fahalemana Ambohimasoa sy ny manodidina raha toa ka faritra mena amin’ny asan-dahalo sy ny fanakanana no nahalalana azy hatrizay. Hisy miaramila eo amin'ny 25 lahy hiasa ao ary hahazo fitaovana hiasana izy ireo, ka hisy ihany koa ny fiantsonanan'ny angidim-by hafahana mandray Fepetra aingana. Tsy handroso mihintsy ny Firenena raha tsy mipaka sy tafapetraka eny ifotony ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana tena izy. Ankoatr’ity toby miaramila ity dia maro ny EPP manarapenitra an-dalam-pahavitana ao amin’izany distrikan’Ambohimasoa izany. An-dalam-panamboarana koa ny hopitaly manarapenitra ao an-toerana, izay hahitana fitaovana raitra sy maoderina ary izay fitsaboana rehetra ilain’ny mponina. Hahazo kianja manarapenitra ihany koa ny eto Ambohimasoa araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha satria maro ireo tanora any an-toerana no te hisitraka izany. Hamboarina ihany koa ny RN 25, ka ny ampahany mandalo an’Ambohimasoa, Ifanadiana, Vohiparara hatrany Irondro no hanombohana izany. Naverin’ny Filoha ihany koa fa tsy hisy ho adino intsony ny distrika rehetra fa hahazo ny fampandrosoana mendrika sy sahaza azy avokoa ary hanao izay tratran’ny heriny ny tenany hamaliana ireo fangatahan’ireo olomboafidy any an-toerana.

 

Kianja manarapenitra

 

Namaran’ny Filoha Andry Rajoelina ity andro faharoa tao Matsiatra Ambony ity ny fitokanana ny Kianja marapenitra mahazaka mpijery miisa 1000 tao Ambalavao izay notronin'ny vahoaka izay tonga maro be nitsena ny Filoha teo am- pahatongavana. Tsotra ny tenin'ny Filoha raha nandray fitenenana izy, dia ny mba hampiray hina ny vahoakan'Ambalavao ary hampiroborobo ny fanatanjahan-tena ny fahazoana kianja manara-penitra ao an-toerana. Efa maro ireo fotodrafitrasa napetraka ao Matsiatra Ambony ary mbola maro ireo mbola hapetraka ao antoerana mba hitondra fampandrosoana mipàka amin’ny vahoaka. Anisan’izany ny fanamboarana ireo lalana isaky ny kaominina sy distrika, ny fanamboarana tsena ao Ambalavao eo ihany koa ny hampitomboana ny isan’ireo mpampianatra FRAM hampidirina ho mpiasam-panjakana.