Betsaka ny asa efa natao ary maro ihany koa ireo izay mbola miandry na ireo fohy ezaka izany na ireo lavitra ezaka. Nahafahana nijery ny fomba hanatsarana sy hanafainganana ny fomba fiasa hampipaka ny fampandrosoana eny anivon’ireo distrika sy kaomina anatin’ny enim-bolana manaraka sy ny roa taona sy tapany ho avy ny dinika sy tafatafa niarahana tamin’ireo governoram-paritra rehetra androany.
Ny hitondra fampandrosoana hatreny anivon'ireo kaomina sy ireo distrika rehetra no tanjona iraisana.
Ary rehefa mandroso ny faritra rehetra dia handroso i Madagasikara