Nohamafisin’ny Filankevitry ny Minisitra fa mbola mikatona amin’ny sidina avy any ivelany i Madagasikara, saingy ireto kosa no omena fahazoandalana manokana hiditra sy hivoaka eto Madagasikara, ka vaomiera iraisan’ny ministera 4 tonta no manapaka izany dia ny ministeran’ny fitaterana, ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny ministeran’ny varotra sy ny indostria.

Ireto avy izy ireo sokajin’olona vokasiak’izany :
• Ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ireo iraka manokan’ny firenena iray na ny firenena mikambana sy ireo mpiasa ao aminy, araky ny fifanarahana iraisam-pirenena izay mifehy antsika.
• Ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatra ara-indostria stratejika ka miara-miasa amin’ny fanjakana
• Ireo iraka manokan’ny fitondram-panjakana na mpiasam-panjakana nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna na « ordre de mission” manokana
• Ireo mpanao fanatanjahantena teratany Malagasy ka mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe .


Fepetra ara-pahasalamana manokana

Toy izao kosa ny fepetra ara-pahasalamana manokana mahakasika azy ireo : tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 08 andro izy ireo ary mitondra valina fitiliana PCR 72 ora mialoha ny hahatongavany ary manao fitiliana eny am-pahatongavana sy mialoha ny hivoahany ny fihibohana. Ireo hita fa miabo kosa dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 14 andro ary manaraka ny fepetra sy fitsaboana ara-pahasalamana mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ireo tsy afaka miditra

Ireto sokajin’olona ireto kosa na teratany na vahiny dia tsy mbola afaka ny hiditra na hivoaka eto Madagasikara mihitsy ary tsy azo omena fahazoan-dalana:
• Ireo mpizahatany
• Ireo mikasa ny hamangy havana na hiala sasatra
• Ireo izay mikasa hitsabo havana na handevina havana. Ireo fepetra ireo dia mipetraka sy mihatra mandritra ny fe-potoana hampiharana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara