Tanterahina eto amin'ny CHUJRA ny fanombohana ofisialy ny fanaovam-baksiny isorohana ny Covid-19 eto Madagasikara.
Tonga manome voninahitra izao fotoana izao Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, hotronon'ireo Diplômaty vahiny miasa sy monina eto amintsika ary ireo Mpiaramiombon'antoka miara-miasa amin'ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Ny vaksiny ataontsika amin'ity andiany voalohany ity dia "vaccination ciblée" hoy Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamana, Ireo Mpiasan'ny Fahasalamana izay miatrika mivantana ny covid-19, ireo Mpitandro ny filaminana, ireo Zokiolona 70 taona no miakatra , ireo olona diabetika sy ireo olona marefo no hisitraka izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy an-tery fa an-tsitra-po ary maimaimpoana ny fanaovana vaksiny.