Ampitiavana tanteraka no anohanana ireo mpiasan'ny fahasalamana izay lohalaharana amin'ny ady amin'ny COVID-19 eny amin'ireo CTC-19 sy ny hopitaly, amin'ny alalan'ny fanolorana tohana ara-tsakafo azy ireo. Amin'izao fotoan'ny fihibohana izao izay mahasarotra ny fivezivezena dia tolorana sakafo maraina sy hariva ihany koa ireo marary sy ireo mpiandry azy ireo. Ho an'iny faran'ny herinandro iny dia sakafo 1084 no naroso maraina sy hariva nandritra ny roa andro tamin'ireo CTC-19 miisa 06
- CTC Mahamasina: 272
- CTC Ivato : 120
- CTC Soamandrakizay 140
- CTC Alarobia : 250
- CTC Ankorondrano 62
- CTC Village Voara 240
Mitotaly 4336 araka izany ireo sakafo naroso izay nihena 258 raha oharina ny tamin'ny teo aloha.
Ny firaisankinantsika no entina mandresy ity valan’aretina COVID-19 ity.