Midadasika ny tany aty Atsimo. Ho trandrahana amin’ny alalan’ny fambolena ireo zava-maniry mahatanty ny toe-tany aty izany mba hananan’ireo mponina sakafo sy foto-pivelomana. Ny Fitondram-panjakana rahateo dia miroso amin'ny fametrahana ny paikady maharitra hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Toa ny eto Sampona izay ahitana ny tetik’asa AGRO ECOLOGIQUES iarahana amin’ny DEFI. Mangahazo, vomanga, katsaka, ampemba, antaka, konoke sy voanemba, miampy karazan-draketa tsy misy tsilo ho sakafom-biby fiompy no volena eto amina velarana 5 Ha. Hitarina amina toerana efatra hafa aty Amin'ny Faritra Atsimo ny tetik’asa. Handrakotra tany 1500 ha ary hamelona ankohonana 2500. Ho aparitaka ihany koa ny fomba fitsihifana sy fitehirizana ranon’orana hananan’ny mponina rano fisotro madio.