Raha ny nambaran’ny ministry ny Fahasalamam-bahoaka Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ny 22 aprily 2021, afaka tapa-bolana no ho tonga ireo vaksiny enti-miady amin’ny Covid 19.

Ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana izay eny amin’ny lohalaharana amin’ity ady amin’ny valan’aretina ity no ho atao vaksiny voalohany. Manaraka azy ireo ny olona marefo sy ireo zokiolona. Everina ho any amin’ny volana jolay any ho any vao ho raikitra ny fanaovam-baksiny ho an’ny daholobe. Marihina anefa fa tsy hifanerena izany fa an-tsitrapo, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany.
Nanamarika ihany koa ity tomponandraikitra ity fa hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fisoratan’anarana ho an’ireo olona marefo maniry ny hatao vaksiny. Ny anton’izany fisoratana anarana izany dia ny ahafahana manaraka ny toe-pahasalaman’izy ireo rehefa vita vaksiny izy ireo.
Raha hiverenana ny mikasika ireo vaksiny, nilaza ny minisitra fa ny fahamaroan’ny olona marary amina faritra iray no hisafidianana azy hanombohana ny fanaovam-baksiny. Miankina amin’ny fitrangan’ny valan’aretina ihany koa no hisafidianana ny karazam-baksiny atsindrona, hoy ihany ity farany.