Araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 07 aprily 2021 dia hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny covid-19 ka hisy ny fanaraha-maso izany eny anivon’ny CSB II, CTC-19 ary ny Hopitaly.
Tsara marihana fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny covid-19 toy ny « azythromicine, magnesium, vitamine C, lovenox, dexamethasone » ireo marary eny anivon’ireo Toeram-pitsaboana ara-panjakana.
Iharan’ny fanasaziana goavana ireo izay tompon’andraikitra mivarotra izany.
Ny fanafody fitsaboana aretina mitaiza sy ireo aretina hafa kosa dia ny marary ihany no miantoka izany.
Tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana covid-19 etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka ary maimaimpoana ny fanomezana taratasy fanamarihana ny fitiliana. Iharan’ny fanasaziana ireo izay mitaky vola amin’ireo olona izay tonga manao fitiliana.