Taorin'ny fifampidinihana teo amin'ireo tompon'andraiki-panjakana mahefa teto Mahajanga ny 6 martsa, nanamarika ny tao amin’ny fiadidiana ny faritra fa ny « variant sud-africain dia tsy hitan'ny test kanefa mahafaty ao anatin'ny fotoana fohy

Na eo aza anefa izany rehetra izany voalaza fa nihidina ny tahan'ny fiparitahan'ny valanaretina teto Mahajanga.
Ireto avy ireo fepetra ho an'ny 15 andro manaraka eto amin'ny faritra Boeny, fepetra tapaka taorian’io fivoriana io :

Mikatona ny toeram-pampianarana rehetra na miankina na tsia

Mikatona tanteraka ny fifamezivezen'ny olona miditra sy mivoaka ny faritra Boeny ankoatran’ny « évacuation sanitaire », ny entana, ny « service essentiel ». Ny entana sy « service essentiel » dia afaka mifamezivezy eo anelanelan'ny 6 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva kosa manaja ny fepetra rehetra. Tsy maintsy mandalo ao am ATT ny mpitatitra rehetra

Ny zotra mampitohy ato anatin’ny faritra dia misokatra ary tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana sy ireo hetsika sakana mahazatra

Miatra ny tsy fahafahana nivezivezy amin’ny alina manomboka am 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina.

Mirava amin’ny 4 ora tolakandro ny toeram-piasana rehetra, na miankina na tsia

Mikatona ny dobo filomanosana (piscine) sy ny sisin-dranomasina rehetra

Misokatra hatramin’ny 9 ora alina ny toeram-pisakafoanana (restaurant). Ny Bar kosa afaka manao varotra tsy mitoetra na ilay atao hoe « vente à emporter ». izay minia nandika izany dia hiaran'ny fanakatonana avy hatrany

Mikatona ny toeram-pilanonana sy fandihizana rehetra

Raha misy ny matin'ny covid dia alevina avy hatrany. Izay maty noho ny aretina hafa dia alevina eto an-toerana. Ny fianakavina irery iany no afaka miari-tory ary tsy mihoatra ny alina iray. (Tsy misy fahazoan-dalana manokana am fitondrana razana any an-tanindrazana)

Ferana ho 100 ny olona any amin’ny trano fivavahana ary tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana

Ny fifaninanana ara-panatanjahantena dia azo atao fa tsy misy mpijery ary tsy maintsy atao ankalamanjana.

Foana ny barrage sécuritaire ao amin’ny sampana Anjiajia fa afindra eny Andranomamy ary amafisina ny barrage sanitaire eo Ambondromamy

Ny tsy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana na ny hetsika sakana dia mahavoasazy hanatanteraka ny tombotsoa ho an daholobe na ny « travaux d'intérêt général »