⭕Ho an'ny faritra Analamanga:
- Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona
- CTC-19 Village Voara Andohatapenaka
⭕Ho an'ny any amin'ny Faritra:
- Hopitaly manara-penitra
- Ireo Centre Hospitalier Régionale (CHRR)
- Ireo Centre Hospitalier de District (CHRD)
IREO TOERANA MANDRAY AN-TANANA IREO OLONA MITONDRA NY TSIMOK'ARETINA
⭕ Ny CSB rehetra manerana ny Faritra dia afaka andehanan'ireo olona ahitàna tsimok'aretina, raisina avy hatrany izy ireny ary omena fanafody sy fitsaboana , tsy maintsy asiana CVO sy azithromycine ny fanafody ampiasaina ary ampiana ireo fanafody izay mitondra hery fiarovana ao anatin'ny vatana.
⭕Ho an'ny Faritra Analamanga manokana:
- Atsimondrano: CSB II Andoharanofotsy, Itaosy cité, Fenoarivo, Anosizato Est, Bemasoandro Faliarivo,
- Avaradrano: CSB II Ambohimangakely, Alasora, Sabotsy Namehana, Ankadikely, Ampahimanga, Ambohimalaza, Masindray, ary Anosiavaratra.
- Antananarivo Renivohitra: CSB II Isotry Central, Isotry annexe, CSS Tsaralalana, CSMI Tsaralalana, ny CARMA Antohomadinika, Ambohipo, Antsahamamy, Ambohitsoa, Ampasanimalo, Andohalo, Antanimena, Anosipatrana, Analamahitsy, CARMA Andraisoro, Ambohimanarina, Ambohidroa, Mahamasina amboniloha.
⭕ Ho an'ny Ambohidratrimo manokana:
- CSB II Ivato aéroport
- CSB II Anosiala
- CSB II Ambohibao
- CSB II Talatamaty
⭕ Ireo Hopitaly manara-penitra manerana ny Nosy dia mandray ny covid avokoa:
- Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona
- Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana
- Hopitaly manara-penitra Andohatapenaka
- CHU Anosiala
- Hopitaly Fenoarivo
⭕ Hosokafana eny amin'ny village Voara ny karazana toerana ho an'ny "Urgences" na izay maika . Asiana 120 fandriana eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka izay hisokatra tsy ho ela 24ora/24ora.
⭕ Miverina ihany koa ny BIS (Brigade d'intervention Spéciale) izay hiara-hiasa amin'ny Village Voara ahitàna ireo fandriana 120, izy ireo no mankany an-tokantrano, mitsidika ireo marary sy maka ireo marary.
Afaka manaraka ireo marary amin'ny alalan'ny antso an-tariby ihany koa ny BIS.
⭕Vokatry ny fisondrotry ny salan'isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina tato ho ato dia tapaka nandritra ny filakevitry ny Minisitra ireo paik'ady vaovao entina hiadiana ny fihanaky ny valanaretina:
⭕ FISOROHANA:
- fanajana ny fepetra sakana , mitondra ny aro-vava orona n'aiza na aiza.
- fanasana tanana matetika amin'ny rano sy savony.
- fampiasana "gel désinfectant" na "gel hydroalcoolique."
- fanajana ny elanelana iray metatra
- fanadiovana ny fitoeram-ponenana sy ny toeram-piasàna
- fanadiovana sy famendrahana fanafody ireo fiara fitateram-bahoaka
- raràna ny mamory vahoaka mihoatra ny 200
- tsy azo asiana mpanatrika ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena ankoatr'ireo nahazoana fahazoan-dalana manokana
- ferana ho 10 ny isan'ny olona mandevina ireo olona lavon'ny Covid-19
- jerena akaiky ny fifaneraserana any anaty fiara fitateram-bahoaka
- hisy ny fizarana ny tambavy CVO eny amin'ny Fokontany izay ahitàna ny Covid-19 ary ho aparitaka ihany koa ny CVO+
⭕ Ho fandaminana izay rehetra izay dia mitaky ivon-toerana iray hikirakiràna ireo antontan'isa maro samihafa izay tonga.
Averina ampiasaina indray noho izany ny "plateforme COVDATA."
⭕ Averina ny fiaraha-miasa amin'ireo mpitsabo tsy miankina amin'ny fanjakàna ahafahana manampy tsara ny mpiray tanindrazana amin'ny resaka "consultations" sy "orientation", ary ny tolotra fitsaboana ara-tariby ho an'ireo olona manaraka fitsaboana any an-trano
⭕ FEPETRA MILA TOHIZANA:
- Tsy mbola misokatra amin'ireo mpizaha tany sy ireo olona avy any amin'ny tany lazaina hoe "pays à risque" i Madagasikara
Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra rehetra tany aloha tsy nasiam-panovàna .
(C): SCM/DirCom-MSANP