Nanatevin-daharana ireo tsara sitrapo sy resy lahatra amin’ny fanampiana ireo mponina any Atsimo, miaraka amin’ny Fikambanana Fitia ihany koa ny 16 martsa ny Fondation BOA. Sakafo no fanampiana entin’ny Fondation BOA ho an’ireo mpiray tanindrazana hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny Faritra Androy sy Anosy.

Manao tohi-vakana araka izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Fikambanana Fitia sy ireo mpiara-miombon’antoka. Maro ireo resy lahatra sy mitovy fomba fijery amin’ny Filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy RAJOELINA ny amin’ny fiahiana sy fanampiana ireo mponina any Atsimo izay hianjadian’ny fiantraikan’ny haintany sy ny kere.
Anisan’ireo manome tanana ary nanolotra tohana ara-tsakafo ao anatin’ilay tetikasa AVOTSE, ny avy eo anivon’ny Fondation BOA.
Fototry ny firaisankina ny fifanohanana kanefa mety hanova ny fiainan’ny mpiara-belona hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Ireto tohana ara-tsakafo ireto dia afaka hamatsiana ireo « cantine scolaire » 20 mahery any Atsimo.
Natao ny maraina teo tetsy Alarobia ny sonia mirakitra ny fifanaraha-piarahamiasa eo amin’ny Fikambanana Fitia sy ny Fondation BOA anatin’ity tetikasa AVOTSE ity. Taorian’ny lanonana fanaovan-tsonia, nanatrika ny fiaingan’ireo fiara vaventy mitondra ireo tohana ara-tsakafo ireo Ramatoa Mialy Rajoelina sy ireo mpiara-miombon’antoka. Andiany voalohany ireto fiara niainga androany ireo fa mbola hisy ny andiany manaraka izay hitatitra ireo sakafo any Androy sy Anosy.

Ireo fanampiana
-Vary : 22,34 t
- Voamaina : 4,46 t
- Paty : 2,23 tonnes de pâtes
- Sardines : 698 kg
- Koba aina : 4,12 tonnes de koba aina
- Menaka : 120 l
- Sira : 10 kg


Miarivola Tsiferana