Andro vitsy taorian'ny fitsidihan'ny Filohan'ny Fikambanana Fitia tany Atsimo, miroso ny fametrahana vahaolana maharitra hidiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere any Atsimo. Ny volana mey no heverina fa ho tonga ao Taolagnaro ny « container-usine mobinut » izay hamokatra fanampin-tsakafo ho an'ny ankizy. Akora fototra avy ao amin’ny Faritra ihany no ampaisaina amin’izany.
Mitentina 850 000 euros ny famatsiam-bola entin'ny « Fondation Mérieux » amin'ity tetikasa fametrahana « container-usine » ao Taolagnaro ity.
Hitondra vahaolana maharitra ho an'ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo ny fisian'ity tetikas aity. Hiteraka asa ho an'ny mponina ao an-toerana ihany koa ary isan'ny omena vahana ireo vehivavy.
Tontosa ny marainan’ny 14 martsa ny fanamafisana izany fiaraha-miasa eo amin’ny 3 tonta izany : ny fikambanana Fitia tamin’ny alalan’ny filohany, Ramatoa Mialy RAJOELINA, ny Fondation Mérieux ary ny orinasa Nutriset. Izao fiaraha-miasa izao dia hitondra vahaolana azo tsapain-tanana sy maharitra ho an’ireo mponina manodidina ny 750 000 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny Faritra Androy sy Anosy izay isan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny haintany.
« Avotse »
Tetikasa faharoa nataon'ny Filohan’ny Fikambanana Fitia sonia fifanaraham-piarahamiasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny 14 martsa ny tohana ho an'ireo ankizy any Atsimo amin’ny alalan'ilay programa « Avotse »
. Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny Fikambanana Fitia, ny PAM ary ny « Orange Solidarité Madagascar ».
Ankizy 6000 avy amin’ny Faritra Androy sy Anosy no hahazo tombony amin’ny fisian’ity tetikasa AVOTSE ity any Atsimo. Hamatsy vola ny tetikasa fametrahana « cantine scolaire » any Atsimo ny « Orange solidarité Madagascar » izay efa mpiara-miombon’antoka amin’ny Fikambanana Fitia hatramin’izay ka hatramin’izao.
Ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny ara-tsakafo na PAM kosa no mpiara-miombon’antoka ara-teknika anatin’ity tetikasa « Avotse » ity. Tetikasa izay sady hanampy amin’ny famporisihana ny mpianatra hazoto ho any an-tsekoly no tohana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ho an’ireo ankizy hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo indrindraindrindra ihany koa.
Nanomboka ny volana Janoary tamin’ity taona ity no nametrahan’ny Fikambanana Fitia ny tetikasa « Avotse » tany amin’ny Faritra Androy sy Anosy. Noho ny fahatsapana fa anisan'ny mahatonga ny fialana an-daharana any an-tsekoly ny hanohanana no antony nametrahan’ny Fikambanana Fitia ity tetikasa ity. Ankoatra ny fanomezana sakafo ho an’ireo ankizy dia hisy koa ny vary, voamaina ary koba voafantina omena ireo mponina any Atsimo, mbola ao anatin’izao tetikasa izao ihany.
Miarivola TSIFERANA