Har’kanto, io indray no ambohipihaonan’ny mpanao asatanana eto Antananarivo. Eny amin’ny CENAM 67 ha no misy azy. Fotodrafitr’asa izay navaozin’ny Fikambanana Fitia, notokanan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, sady filohan’ny fikambanana Fitia ny marainan’ny 4 martsa. Natao ho an’ireo mpanao asa-tanana, hifampizarana, sy hifanoanana ary indrindra hahazoana traikefa anatin’ny asa.
Araky ny anarany Har’kanto, hitondra haikanto sy lenta, hampisandratra hatrany ny fahaiza-manao indrindra ireo vehivavy misehatra amin’ny asa-tanana. Karazana seha-pihariana maro arahin’ireo fitaovana mifanaraka aminy no hita eto, tahaka ny rofia, ny fikarikarana amin’ny fomba kanto ny tany manga. Tsy anavahana, natao handraisana hatramin’ireo vehivavy manana kilema ara-batana ny Har’kanto araka ny fanazavan’ny ramatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny filohan’ny Repoblika, filohan’ny fikambanana Fitia.
Raha iverenana ny fankalazana ny andron’ny Vehivavy, tontolom-pihariana 5 no notohanana nandritra ny fitetezana ireo renivohim-paritany. Izao fotodrafitr’asa navaozina sy notokanan’ny fikambanana Fitia izao, dia tafiditra anatin’ny hetsiky ny 8 Martsa. Fankalazana miavaka, satria dia mifantoka amin’ny asa sy fanohanana ireo vehivavy Malagasy ho fampandrosoana isam-batan’olona sy hitondra fisandratana eto amin’ny firenena.
Sahy SYLVAIN - Miarivola Tsiferanana