Noho ny fisian’ny fitantanana tsy mazava, ny tsy fifehezana ny Oniversite araka ny voalazan’ny didy aman-dalàna mifehy ny Oniversite voafaritry ny didim-panjakana laharana faha 2002-565 tamin’ny 04 Jolay 2002 nasiam-panovana sy araka ny didim-panjakana laharana 2010-129 tamin’ny 11 mars 2010, ny didim-panjakana laharana faha 2012-688 tamin’ny jolay 2012 ary ny didim-panjakana laharana 2015-1510 tamin’ny 09 Novambra 2015 , ny fanodikodinana ny volan’ny mpianatra ampiasaina amin’ny zavatra hafa araka ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra,

ny fivarotana ny fiaran’ny Oniversite izay mifono fanararaotana, ny tsy fahaizana mitantana eo anivon’ny Oniversite, dia natsahatra tamin’ny asany ny Filohan’ny Oniversite an’i Toamasina.
Voarainy tamin’ny volana Jolay ny tetibola hoentina mandoa ny vatsimpianarana sy ny
« équipements » saingy nampiasainy tamin’ny zavatra hafa izany rehefa nodinihana ireo fampiasam-bola nataony nandritra ny fotoana nahazoany ny vola ka hatramin’ny nivoahan’ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana, izay tsy tanteraka raha tsy nisy ny famoizana aina mpianatra.
Eo ihany koa ny fivarotana ireo fiaran’ny Oniversite izay nasiampanamboarana
tamin’ny tetibolan’ny Oniversite nefa dia namidy 1 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 03 tapitrisa ariary monja.
Ary ny fandraisana mpiasan’ny Oniversite tsy nahazoan-dalana na teo anivon’ny ministera na ny filankevim-pitantanana. Noho ireo dia nivoitra ny maha fahadisoana bevava eo amin’ny fitantanana ny Oniversite ny nataony ka nitarika ny fanalana azy.

“Digitalisation”

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny lamin’ny tsena hoentina hanatanterahana ny Digitalisation an’ny fitantanana ny mpianatra sy ny mpandraharaha eny anivon’ny Oniversite rehetra
manerana an’i Madagasikara. Ny orinasa NUHMERIT Madagascar sy ny
Paoma ary ny BOA no manatanteraka ny asa izay tantanan’ny ministeran’ny
fampianarana ambony miaraka amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny
fitantanam-bola izay ampian’ny Fiadidiana ny Repoblika ao anatin’ny tetikasa PRODIGI.