Ny vehivavy mpisehatra amin’ny Jono ao Mahajanga indray no notsidihan'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, sady Filohan'ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina tamin’ity 3 martsa ity, andro fahatelo amin’ny fitsidihana ireo renivohi-paritany ho fankalazana ny andron’ny vehivavy.
Vehivavy 60 latsaka kely ao anatin'ny « Fikambanan'ny mpanjono mivoatra Antsahambingo » na FMMA no hisitraka ny fisian'ny trano fitahirizana hazandrano na debarcadère vaovao izay natolotry ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Sambany vao mba nanana toerana manara-penitra toy izao ireo mpiandriaka eto.
Amin’izao fankalazana ny 8 marsa manerana ireo renivohi-paritany eto Madagasikara izao, dia nafantoka tamin’ny fanampiana ny asa fiveloman'ireo vehivavy ahafahany mizaka tena sy miharin-doha, ireo hetsika rehetra natao. Ankoatra ny fotodrafitrasa dia misy koa ny fitaovana sy fiofanana omena ireo vehivavy. Tiako, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, raha mitondra fiovana amin’ny andavanandrom-piainan'ny vehivavy ny fahatongavany isaky ny Faritany amin’izao fankalazana ny andron'ny vehivavy izao.
Any Antsiranana, no hanaovana ny fankalazana nasionaly amin’ity taona ity. Toy ny tamin’ ireo Faritany 5 dia hahazo tohana amin’ny asa fivelomana ihany koa ireo fikambanam-behivavy. Hisy koa ny fambolen-kazo sy fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra.
Miarivola Tsiferana