Tao Toliara sy Fianarantsoa no nanohizan'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika sady Filohan'ny Fikambanana Fitia, Mialy RAJOELINA ny fitsidihany ny Renivohi-paritany eto Madagasikara ny 2 Martsa, ho tohin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.
Zava-maniry mampiavaka ny eto Toliara ny anananambo na Moringa. Karazana anana manan-danja aty Atsimo satria ny ananambo dia atao fanampin-tsakafo entina miady @ tsy fanjarian-tsakafo.
Moringa 3000 fototra no novolen'ny Filohan'ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy tao amin’ny Kaomina Belalanda - Distrikan'i Toliara faharoa, tamin’ity 2 Martsa ity.
Notoloran'ny Fikambanana Fitia fitaovana entina manodina ny anananambo ihany koa ny Kaoperativa Magnavatse ao Belalanda. Rehefa mifanohana ny vehivavy dia ho hita mivaingana sy hitondra vokatsoa ho amin’ny taranaka ny hetsika izay iarahana manerana ny lafivalon’ny Nosy, hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika.
Fifanohanana sy fiaraha-miasa
Ny tantely sy ny dite Sahambavy kosa no nasongadina tamin’ny izao fankalazana ny andron’ny Vehivavy izao tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Vehivavy sy fikambanam-behivavy maro no mivelona amin’ireo seha-pihariana ireo ao Fianarantsoa sy ny manodidina. Fomba fijery tian'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika hifampizarana amin’izao ankatoky ny 8 Martsa izao dia ny fifanohanana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny vehivavy.
Ao amin’ny Distrikan'i Lalangina no misy ny Kaomina Sahambavy. Nandray ny fiaran-falamby Fianarantsoa Côte Est na FCE izay vao nohavaozin'ny Fitondram-panjakana tanteraka ny Delegasiona notarihin'ny Vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina nihazo ny hetsika nankalazana ny 8 marsa tao amin’ny Kaomina Sahambavy.
Miarivola TSIFERANA