Nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny fivoriana mikasika ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valan’aretina Coronavirus teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny 15 febroary 2021 fa « efa voafehy ny fianaky ny valan’aretina kanefa mbola tsy lefy tanteraka izy io eto amin’ny firenentsika », ary ny governemanta dia vonona hatrany hanohy ny ezaka iadiana amin’izao valan’aretina izao.

Etsy andaniny, ireo mpiara-miombon’antoka dia naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’ny mpitondra fanjakana amin’izay ezaka rehetra mbola ho atao izay. Notapahana nandritra io fivoriana io ihany koa fa ho tohizana hatramin’ny volana jona ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly marolafy, ary aorian’izay dia ny Plan Emergence Madagascar no drafi-pampandrosoana entina manatanteraka ireo programan’asam-panjakana rehetra.

Nandritra ny fivoriana dia nisy ny jery todika mahakasika ireo ezaka sy asa rehetra natao nandritra izay fotoana nisian’ny valan’aretina Corona virus izay ka nahafahana nifehy ny fianaky ity valan’aretina ity ; ary niaraha-nidinika tao ihany koa ny lamina vaovao hapetraka mba tsy hampirongatra indray ny valan’aretina satria afaka fotoana fohy dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika.

Marihina fa ity fivoriana ity dia notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, niarahana tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ireo eo anivon’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana, ary ny teo anivon’ny fiarahamonim-pirenena.