Nitsidika toerana maromaro tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano,  teo anelanelan’Ampitatafika sy Antsahadinta, ny 9 feboroary,  ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana sy ny fotodrafitrasa efa vita, ary ny olona mianjady amin’ny vahoaka amin’iny faritra iny.

Hamboarina ny lalana eo Ampitatafika hatrany Antsahadinta, efa misy ampahany vita « pavé » eo Ambohitsakalava, tanàna alohan’ny hahatongavana ao Alatsinainy Ambazaha,  ary misy ampahany mbola eo am-panamboarana, mampitohy an’Alatsinainy Ambazaha sy Androhibe Antsahadinta. Niarahan’ny delegasiona nijery ny kalitaon’ny asa ary nilaza ny Lehiben’ny governemanta fa laharampahamehana amin’ny fandaminana ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny ary avokavoky ny toekarena ny lalana : «  fotodrafitrasa fototra ny lalana, ka iankinan’ny seha-pampandrosoana maro indrindra eo amin’ny lafiny toekarena, toy ny varotra, sy ny ara-tsosialy, toy ny fampianarana, ny fahasalamana, ary ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ». Rehefa vita tsara ny lalana, hoy ihany ny Praiminisitra, dia mora ny famoaham-bokatra, afaka mifamezivezy ny olona ka tsy misy intsony ny fitokana-monina, ary ny fitambaran’izany no lazaintsika hoe fandrosoana hoy hatrany izy.

 

Tsena sy CSB II ary lisea

 

Notsidihin’ny delegasiona ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny tsenan’Alatsinainy Ambazaha, efa vonona tanteraka izany ankehitriny. Teo no notsiahiviny fa fampandrosoana no antony nametrahana ireo governoran’ny Faritra, ary  tao anatin’ny 60 taona, dia ny Fanjakana foibe ihany no manapa-kevitra amin’ny toerana hametrahana asam-pampandrosoana sy hanatanterahana ireo programan’asa, kanefa tsy ho araka ireo filàna marina eny ifotony ka izay no nametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Araka izany, dia nomena fahefana manapa-kevitra, nomena tetibola ary nomena fitaovana ireo governora isam-paritra hahafahan’izy ireo mandray andraikitra avy hatrany ka hipaka mivantana amin’ny vahoaka ireo vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika.  

Mbola mahakasika ny fiainam-bahoaka hatrany, dia notsidihina ny CSB II tao Alatsinainy Ambazaha, ary nifanakalo hevitra momba ny fandaminana sy ny tokony handrindràna ny asa, tamin’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamàna tao an-toerana ny Praiminisitra,  raha naneho ny hetahetany ireto farany.

Notsidihina ny « Lycée » ao Alatsinainy Ambazaha, izay avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, efa vonona tanteraka ihany koa izany. Nitaraina ny amin’ny tsy fahampian’ny mpampianatra efa miasam-panajakana ireo tompon’andraikitr’izany « Lycée » izany ka nangataka ny handraisana ireo mpampianatra « fram ». Ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakàna ny fanabeazana, hoy ny Praiminisitra, ka hojerena any anivon’ny ministera tompon’andraikitra, araka izay azo hatao, manaraka ny fandaminana napetraka, ny hampidirana ho mpiasa raikitra. Rehefa izany dia nanolotra telo tapitrisa ariary ny tenany.

Nanohy ny diany ny delegasion ary nitsidika ny fanombohana ny asa fanorenana « Lycée » ao Androhibe.

 

Mangataka herinaratra

 

Nandritra izany no nanehoan’ny mponina ny faniriany mba hahazoan’izy ireo ny herinaratra, ary dia neken’ny Praiminisitra ny hanatanterahana an’izany. Neken’ny Lehiben’ny governemanta ihany koa ny fangatahan’ny fikambanan’ireo Ben’ny tanànan’Atsimondrano ny hanamboarana ny lalana mirefy 18 kilometra izay avy any Anosizato hivoaka any Antanetikely.

Mbola notsidihin’ny delegasiona androany ihany koa ny CSB II ao Androhibe-Antsahadinta. Rehefa nahita ny zava-nisy tao an-toerana ny Praiminisitra dia nilaza fa hojerena haingana ny hanamboaran’ny fanjakàna ny fotodrafitrasa ao an-toerana.

Teo ampamaranana dia nankasitraka ny ezaka nataon’ny tsirairay noho ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus ny Praiminisitra, ary nanamarika fa mbola tsy vita ny ady na dia efa voafehy aza ny fipariahan’io valan’aretina io.