Nambaran’ny filankevitry ny minisitra natao ny 3 Febroary 2021 fa hanomboka tsy ho ela ny fanatanterahana ny fiaran-dalamby mampitohy an’i Soarano sy ny Lagara makany atsinanana mirefy 12km, sy mampitohy an’i Soarano sy Ankorondrano. Efa azo ireo lokomotiva miisa 10 ireo zotran-dalamby ireo hanatsarana ny hanamorana ny fivezivezena ato anatin’ny tananan’Antananarivo.

  • Amoronakona-Soarano mandroso sy miverinamirefy 12 km.
  • Soarano Ankorondrano mandroso sy miverina 3,5 km.

Tafiditra ao anatin’ny asa ho tanterahana ary hatomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny plateforme, sy ny fandrafetana arofanina hiarovana ireo lalamby. Hisy koa ny fanarenana ny lalamby sy ireo fiantsonan-dalamby manemotra ny lalamby sy ireo zavatra ilaina rehetra ahafahana mampandeha ny fiaran-dalamby (station et quai de la gare ferroviaire, plateforme électrique, électrification des voies ferrées) ary hisy koa ny fanotofana ny toerana ao @ PK 12 ahafahana mandray ny zotran-dalamby.