Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny 27 Janoary fa hatomboka eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny zoma 29 Janoary izao ny fitsinjarana sy famarotana ireo Vary Tsinjo natokana hitsinjovana ny isantokantrano nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Hiparitaka any amin’ny faritra manerana ny Nosy izany amin’ny herinandro ho avy.
1500 ariary ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpanjifa ka 05 kilao isankerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia hotsinjaraina any amin’ireo tsenakely miisa 984 izany ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny fanodikodinana.
Isan’ireo hivarotra amin’ny vidiny mirary 1500 ariary ny kilao ity vary ity ny Tsena Mora manerana ny Nosy ka ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma no hanatanterahan’izy ireo izany. Mila mitondra ny karinem-pokontany ireo mividy vary eny amin’ny tsenakely sy eny amin’ny Tsena Mora. Izany no natao dia mba hisian’ny fifampitsinjovana sy hiantefa any amin’ireo mpanjifa tenamila izany ny vary amidy amin’ny vidiny mirary.
Mifanaraka tsara amin’ny fepetra ara-pahasalamana ity vary nafarana ity ary efa nahazo ny « certificat de consommabilité» ho an’ny olombelona avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fahazoan-dalana amidy avy amin’ny ministeran’ny Varotra.
Hanao lava-drano
Mbola eo amin’ny lafiny saosialy ihany, ho famatsiana rano an’Antananarivo sy ireo faritra mijaly rano manerana ny Nosy dia nanapaka ny filankevitry ny minisitra fa hanao lava-drano ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano sy ny Jirama ho famatsian-drano azy ireo. Efa madiva hifarana ny fanadihadiana ara-teknika ataon’ny ministeran’ny rano ka hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano ka ahitana « nappe phréatique » afaka ahazoana mamatsy rano ireny toerana ireny.
Ny rano azo avy amin’izany dia hatao hidiovana, hanasan-damba, sy handrahoina sakafo ary hampangotrahana vao azo sotroina.