30% ny mponina any amin’ireo kaominina vitsivitsy any Atsimo no nanomboka nifindra monina namonjy ny faritra avaratra sy andrefan’ny Nosy nanomboka ny taona 2015 no mankaty araka ny fanadihadiana nataon’ny OIM (organisation mondiale pour les migrations). Amin’izao fotoana, efa maro ireo tonga eto andrenivohitra raha mbola misy ireo eny an-dalana hamonjy ireo faritra maro.
Amin’ity indray mandeha ity, tapaka nadritra ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 janoary fa hisy ireo vaomiera manokana iraisan’ny ministera isan-tokony amin’ny fanampiana azy ireo sy fanarahana ny fipetrahany any amin’ireo toerana nosafidian’izy ireo hipetrahana toy ny any Avaratra sy i Bongolava izay afaka mandray fianakaviana miisa 1200. Misy filàna mpiasa manao asa-tanàna sy asa fambolena any Tsiroanomandidy, ka izay vonona ny hamboly dia afaka omena ilay antsoina hoe «titre vert» hahafahan’izy ireo mamboly sy miavotra. Tsy azo amidy na hanaovana sehatr’asa hafa ankoatra ny fambolena sy fiompiana ny sombin-tany azon’izy ireo.
Ampiana ireo te hiverina
Araka ny tatitra ara-tsosialy voaray, ny mponina avy any amin’ny faritra Atsimo dia tsy mahafoy ny tany nipoirany. Noho izany hohafainganina ny fametrahana ireo zara-tany hambolena sy hiompiana mirefy 1000m² isam-pianakaviana hatao ao Ifotaka.
Izany no natao dia ho fitazomana ireo mbola tavela any amin’ny faritra nihaviany hiaina ara-dalàna any, na ihany koa hamerenana ireo niala sy voafitaka mba hiverina ka ho afaka miaina tsarasady miasa no miarony tontolo iainana. Hoan’ireo mandalo eto an-drenivohitra izay hihazo ny faritra nosafidiany nefa lany vatsy kosa dia noraisin’ny ministeran’ny mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony,tahaka izay efa natao tany Fianarantsoa, ny fanampiana azy ireo hamonjy ilay faritra nosafidiany.
Raha hiverenana ilay fifindra-monina, saika isan-taona rehefa main-tany no tena hiantombohan’izy io noho ny hain-tany, ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fiovan’ny toetrandro ary ny tsy fanjarian-tsakafo.
Karazan’olona maro
Isan’ny miteraka olana hoan’ireo faritra hifindra-monina sy ireo faritra nialana koa anefa izy ity na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina na ny lafiny ara-toekarena na ny ara-tsosialy. Tany am-boalohany lehilahy no maro amin’ireo nifindra monina saingy nitombo izany ka lasa fianakaviana iray manontolo mihitsy no mifindra monina ankehitriny noho ny antony maro samihafa toy ny faharavan’ny tokantrano, tsy fahampian’ny hoenti-manana ary fikorontanan’ny fiarahamoninavokatr’ilay fijanonana irery na an-tany nilana ravinahitra na an-tany nihaviana nonenan’ny fianakaviana.
Noho ireo antony ireo dia nivoatra ireo karazana olona mifindra monina avy any Atsimo. Hita tamin’ny fanisana natao fa misy mpianatra na mpila ravinahitra namonjy fodiana, nitondra ny fianakaviany niala tany noho ny tahotra ny tsy fanjarian-tsakafo. Tao koa ireo mpanararaotra na voarebireby ka nisy namitaka ny hahazo fanampiana.