Ao anatin’izao fotoana iadiana amin’ny fianjadian’ny kere any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara izao, ary ho fampitaovana ireo “Centre de Commandement Opérationnel de la lutte contre le Kere »  (CCO-K) izay natsangana tao Ambovombe sy Amboasary, dia nanolotra fiara tsy mataho-dalana miisa enina ho an’ireo ivon-toerana ireo ny ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, notarihin’ny minisitra izay tompon’andraikitra voalohany, ka natolotra teto Mahazoarivo ny 10 desambra izany, ary noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian.

Amin’ny maha-tompon’andraikitra ao amin’ny CCO-K ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia tonga nanatrika ny fanolorana ihany koa ny tenany.

Nambaran’ny Praiminisitra fa miha-maro ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ary misy  amin’ireo zaza Malagasy no mamoy ny ainy vokatr’izany. Ankehitriny dia nitondra fomba fiasa vaovao amin’ny fanampiana ny any Atsimo ny fitondram-panjakana ka nametraka rafitra toy ny tamin’ny ady tamin’ny valanaretina covid 19, dia ny CCO-K izany. Mazava ho azy, hoy ny Praiminisitra, fa mila fitaovana, tetibola, ary olona hitantana azy ny CCO-K, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitry ny Faritra iorenan’ny ivon-toerana. Ilaina ihany koa, hoy izy, ny fandrindràna ny asa andavan’andro, eo amin’ny fahafantarana mazava ny isan’ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, eny, hatrany amin’ny fokontany tsirairay avy izay matetika saro-dalana; ary amin’ny fanatanterahana an’izany indrindra no tena hiasan’ireto fiara tsy mataho-dalana ireto. Mbola ao anatin’ny fitaovana ilaina ihany koa, araka ny fanampim-panazavàna nentin’ny Praiminisitra, ny “ambulances”, hitondrana ireo olona marary mafy mila fitsaboana haingana amina hopitaly eny anivon’ny distrika.

Teo am-pamaranana dia naneho fisaorana ny amin’ny fifanampiana eo amin’ny samy rafi-panjakana ny Praiminisitra.