Napetraka tao Ambovombe sy tao Amboasary, tamin’ny faraparan’ny volana novambra teo, ny “Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere”, na ny CCO-K, ho an’ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy, ka nitarika mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, nidina tany amin’ireo toerana ireo, ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny 7 desambra 2020 nisolo tena ny fitondram-panjakana, hijery ifotony ny fizotry ny asa ary ny fomba hanatevenana an’izany
.
Nambaran’ny Lehiben’ny governemanta fa efa am-perinasa tokoa ireo ivon-toerana roa ireo ary napetraka ny praograman’asa maika dia maika, hahafahana mitantana ny antontan’isan’ny olona iharan’ny kere amin’ireo Faritra voalaza, sy mampiodinana ny CCO-K.
Notsiahivin’ny Praiminisitra fa nandray fanapahan-kevitra ny amin’ny hametrahan’ny fitondram-panjakana « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale », na ny CRNM, mbola ao Ambovombe sy Amboasary ihany koa, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Araka izany, hoy izy, dia mila dinihina ny hanataterahana izany fanapahan-kevitra izany, ary efa hita ny toerana hametrahana an’ireo CRNM ka hisy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana avy, mba hisorohana ny mety ho olana ary hirosoana haingana dia hainga amin’ny izao fametrahana voalaza izao.
Vahaolana maika dia maika
Nomarihiny fa antony iray nanatrehan’ireo minisitra voakasiky ny ady amin’ny kere an’izao fidinana izao, ny hifanomezan’ireo ministera tanana amin’ny fikarakarana rehetra : « Ny tanjontsika dia ny hitondra vahaolana maika dia maika, sady hametraka rafitra mba hahafahantsika miady amin’ny fomba maharitra amin’izao kere izao, aty amin’ny faritra Atsimo. », hoy ny Praiminisitra.
Mikasika ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka kosa dia nohazavain’ny Lehiben’ny governemanta fa efa nisy ny fifanakalozana antontan’isa, ka vonona ny hanome tanana hatrany izy ireo amin’izay zavatra tena ilaintsika, araka ny laharam-pahamehana ampitaina aminy ; ary heverina fa mbola misy lafiny azo hatsaraina eo amin’ny fandrindrana ny fomba fiasa amin’ny ady amin’ny kere. Nampahafantarin’ny Praiminisitra tao anatin’izany fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka izany ny fifandraisan’ny CCO-K sy ny fametrahana ny fandriampahalemana.