Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 18 Novambra 2020 ireo ezaka efa vitan’ny fitondrampanjakana na koa eo andalam-panatanterahana hiadianaamin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ady amin’ny haintany any Atsimo.

Voalohany tamin’izany ny fametrahana ireo toeram-pitsaboana sy fanarenana ara-tsakafo sady toeram-pamatsiana ara-tsakafo ny mponina any Atsimon’ny Nosy toy ny ao Ifotaka izay efa miasa ankehitriny.

Mifanindra andalana tamin’izany ny fizarana sakafo mahatratra 6000 taonina ho an’ny mponina any iarahana amin’ny PAM arykoa ny fizarana rano sy sakafo (350t) iarahana amin’ny MAHAKAMA

Eo ihany koa ny fametrahana ireo komity miady amin’ny haintany « Comités anti-kere » izay tarihin’ny Governora any amin’ny faritra sy ny lehiben’ny distrika voakasik’izany aryi reo solon-tena isan-tokony avy amin’ny ministera maro sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny miankina na tsia amin’ny fanjakana ;

Misy ihany koa ny fandrindrana ny fanisana ny mponina tena iharan’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary koa ny fametrahana ny toeram-ponenana manakaiky fari-drano ho an’ireo fianakaviana marefo izay homena toerana 1000m² isam-pianakaviana mba ahafahan’izy ireo mivelona sy mamboly ary miompy. 

 

Hietsika ireo mpiara-miombon’antoka

 

Hisy ny tetikasa hampiarana ny fambolena amin’ny alalan’ny fanondrahana (goutte à goutte) ireo farim-pambolena, ny fiompiana osy sy ny fanodinana ny vokatr’izany ao anaty fohy ezaka izay ho fidiram-bola maharitra ho azy ireo ary fametrahana toeram-ponenana  mendrika no atao. Efa nanomboka ny asa amin’ny famaritana ireo toerana hanaovana izany tetikasa izany izay manakaiky ny reniranon’iMandrare ary atomboka ao Ifotaka.

Marihina fa ny 19 Novambra 2020, nisy ny fivoriana manokana notarihin’ny Filoham-pirenena niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Banky iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeana, ny PAM, ny USAID, ary ny UNICEF, hamaritana ny asa goavana atao iarahana, ary koa hametrahana ireo tetibola manokana ho entina hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ady amin’ny haintany any Atsimo.