Tsy maintsy manamafy ny politikam-pamaizana na ny politique « pénale » ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana raha araka ny fanazavana nomen’ndRAkotondrajery Randrianarisoa Salohy, Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana, ny 6 novambra 2020.
Noho izany, sazian’ny lalàna 5 hatramin’ny 20 taona asa an-terivozona ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona na vehivavy hita fa bevohoka. Sazian’ny lalàna 3 volana hatramin’ny 3 taona antranomaizina kosa ny tsy fitorohana trangana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy araka ny voarakitry ny andidny faha 15 ao anatin’ilay lalana 2019-008.
Anton’io fanamafiasana ny politikam-pamaizana na ny politique « pénale » io dia ny fahitana fitombon’ny trangana fanolanana teto Antananarivo tamin’ity taona 2020 mitaha ny tamin’ny taona 2019 raha araka ny tatitra nataon’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana . raha ny tarehimarika no jerena ; nahatratra hataramin’ny 181 ny trangana fanolanana teto Antananarivo nanomboka ny janoary hatramin’ny faran’ny volana Oktobra lasa teo raha toa ka 101 izany tranga izany ny taona lasa.
Nisy ny hafatra nampitan’ny avy eo anivon’ny ministera ho an’ireo mpitsara rehetra hisehatra ao anatin’ilay Fitsarana ara-keloka misahana ady amin’ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy na "Chaine Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre", afohezina amin'ny hoe CPA-VBG, dia ny hasaziana mafy ny trangana herisetra ampiarina amin’ny olona iray indrindra fa ny fanolanana araka ny andinin-dalàna voareakitra ao anatin’ny lalàna lalana 2019-008,
Marihina fa ny teto Antananarivo dia efa niasa nanomboka ny 16 mey ny Fitsarana ara-keloka misahana ady amin’ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy na "Chaine Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre" fa ny fametrahana azy erak’I Madagasikara no nanomboka ny 26 oktobra lasa teo. mbola hisy kosa ny fanofanana ireo mpitsara miandraikitra izany ary atomboka eto Antananarivo tsy ho ela
Setra RANDRIANASY