Trano biriky lehibe iray no may tetsy Ambavahadimitafo, tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany teo.

Raha ny fitantaran'ny fianakavian'ny tompon-trano dia efa am-bolana maromaro no tsy nisy nipetraka ity trano ity. Tsy fantatra arak'izany izay niandohan'ny afo. Tsy nisy moa ny aina nafoy na ny naratra nandritra ity loza ity..