25 taona taty aorian’ny nahamay azy, vita ny fanarenana ny rovan’i Manjakamiadana sy Besakana..
Ny 6 novambra ho avy izao, no ho tanterahana ny fitokanana izany.
Ho averina eto Madagasikara ihany koa ny satrokin’ny tatarom-piandrianan’ny mpanjaka Ranavalona III ary hotsenaina ny 5 novambra ho avy izao. 123 taona izay no tsy naha teto an-tanindrazana ity vakoka malagasy ity. Tao amin’ny « musée de l’Armée française » ao Paris no nametrahana ity satro-boninahitra ity nandritra izay fotoana izay. Nanantanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny filoha Andry RAJOELINA tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny 4 novambra 2020, nampahafantarina izao vanin’andro hanamarika ny tantaram-prenena izao dia ny fahavitan’ny fanarenana ny Rova sy ny fitokanana izany, ary ny fiverenana indray eto an-tanindrazana ity satro-boninahitra ity.