Nodimandry alina ilay zazavavy kely 7 taona, voaholana tetsy Anosibe. Araka ny loharanom-baovao, dia efa voasambotra ny tovolahy iray 16 taona,
izay fianakaviany ihany, tompon'antoka tamin'ny fanimbana ity zazavavy kely ity. Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo no naiditra hopitaly i Tifania rehefa narary ela sy nanomboka tsy nahatsiaro tena. Taorian'ny fitarafana rehetra dia hita fa niverimberina ny fanolanana ity zaza tsy manan-tsiny ity ka Simba tanteraka vokatr'izany ny fitaovam-pananahany.