Fety voadidy ho hamasinina eo anivon'ny fiangoanna katolika isan-taona ny 1 novambra hanamarihana ny fetin'ny olomasina hoy i Mompera Thierry, Pretra Katolika. Isan'ny nanamarika izany ireo eglizy katolika teto Madagasikara.

Anisan’ireo nankalaza ny fetin’ny Olomasina ihany koa ny paroasy Fo Masin'i Jesoa tetsy Tsaramasay. Nifanindra an-dalana tamin’ity fankalazana ny fetin’ny olo-masina omaly ho an’ny paroasy Fo Masin’i Jesoa Tsaramasay ny fanokafana ny fankalazana ny faha 60 taona niorenan’ny fiangonana. Nohon’ny toe-draharaha ara-pahasalamana avy nolalovan’ny firenena anefa, fanamarihana tsotra nefa niavaka no nankalazana izany raha ny fanazavana nentin’ny RANDRIANARISOA Mamy, Filohan’ny filan-kevitra pastoraly. Fotaom-pivavahana in-telo niditra no notanterahana tao amin'ity paroasy ity nandritran’ny fanamarihana ny fetin’ny olomasina sy fankalazana ny faha 60 taonan’ny fiangonana.