Miaramila manodidina ny 550 amin’izao miasa manampy ireo vahoaka tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany any amin’iny faritra Atsimon’ny nosy.
Manoloana ny zava-misy any amin’ny faritra Androy sy Anosy ary any amin’ny faritra Atsimo andrefana noho ny hain-tany sy ny tsy fanjarian-tsakafo, tapakevitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fa andefa miaramila hitsabo sy hanampy ireo vahoaka any an-toerana izay mitondra ny anarana"Bataillon Multi-Mission".
Ny 3 Oktobra lasa teo no niainga ireo miaramila andihany voalohany izay miisa 405 ary ny 10 oktobra kosa no nihainga ny 33 hafa hanampy azy ireo hoy ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Ireo miaramila ireo izay ahitana dokotera miaramila hitsabo ireo olona mila fitsaboana sy miaramila tsotra hanampy ireo mponina any atsimon’ny nosy hiatrika izay ary ihany koa hiotandro ny fandrimpahalemana raha ny nambaran’ny Jeneraly RABENAIVOARIVELO Jean Claude, Lehiben’ny Etamazoron’ny Tafika. Arak’izany, nanambara ny Jeneraly RAKOTOSON Jocelyn, Komandin’ny “Opération Vonjy” fa tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo miaramila manatanteraka ny asa any an-toerana. rano manodidina ny 6000 litatra isanandro kosa no zaraina amin’ireo mponina any an-toerana amin’ny alalan’ireo fiara roa lehibe mpitatitra rano nalefa any an-toerana.
Mitety kaomina maro
Olona manodidina ny 30 hatramin’ny 40 isan’andro no manao fizaham-pahasalalamana amin’ireo dokotera miaramila miasa aty an-toerana, distrika sy kaominina maro no efa voatetin’izy ireo nandritra izay iray volana izay. Mahazo ny fitsaboana sahaza avokoa ny olona rehetra manatona azy ireo ary misy mihitsy aza ny fitetezana trano ataon’izy ireo hijerena ireo olona izay tene efa reraka tsy afa-manatona azy ireo intsony noho ny arerahana sy ny hanohanana. Noho izay asa marolafy sahan’ireo miaramila aty Atsimo izay; nahatsiaro ho afam-pahasairanana ireo mponina. Afaka misitraka rano fisotro sy mandry tsy amin’ahiahy koa ireo mponina aty an-toerana manoloana ny lafin’ny fandrimpahalemana. Tao anatin’izay 2 taona latsaka nijoroan’izao fitondram-panjakana izao, hita taratra misehetra eny anivon’ny vahoaka tokoa ny Tafika Malagasy indrindra rehefa fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena toy izao. Hita taratra izany nadritra ny tondra-drano tamin’ny fotoam-pahavaratra tamin’ny taona lasa, teo ihany koa ny ady natao tamin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ary izao indray miara-miatrika ny hain-tany amin’ireo vahoaka any Atsimo. izany asa rehetra izany dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanaovan-drafitra eo anivon’ny tafika Malagasy.