Ny Filankevitry ny Minisitra no hanapaka ireo fandaniam-bola sy fampiasana rehetra entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fametrahana ilay «Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale» hajoro any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Nampahafantarin’ny Praiminisitra nandritra ny filan-kevitry ny minisitra natao tany Antsohihy ny 15 Oktobra 2020 fa misy ny vola azo avy tamin’ny Africain Risk Capacity, izay nandoavantsika saram-piantohana isan-taona ka nanefan’izy ireo ny saram-piantohana vokatry ny haintany mitranga any Atsimo ankehitriny.
8,2 miliara ariary
Mitentina 8,2 miliara ariary izany ary natokana tanteraka amin’ny fanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Voakasik’izany ny fanomezan-drano fisotro madio ny mponina, ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana, ny fanampiana syfitsinjovana ireo tena marefo, ny fikarakarana ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ireo minisitra isan-tokony, araka ny sehatra iadidiany avy no hitondra ny volavolan’asa sy tetikasa ary volavolam-pandaniam-bola eo anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra amin’ny herinandro ambony, mba ho tena zavatra mivaingana sy maharitra ary misy fiantraikany mivantana amin’ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo no entin’izy ireo amin’izany ary handraisana ny fanapahan-kevitra sy ny fampiasam-bola.
Apetraka koa ny PMDU
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fametrahana ny komity mandrindra ny PMDU izay tarihin’ny Praminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fanapahan’ny Filankevitry ny Minisitra ny 01 Jolay 2020.Ny fanaraha-maso ny asa efa natao sy an-dalam-panatanterahana no andraikitr’ity Komity mpandrindra ity fa ny fanatontosana ireo vinan’asa sy drafitra voasoritra ao anatin’ny PMDU kosa dia anjaran’ireo ministera voakasik’izany.