Taorian’ny fanendrena ireo minisitra ao amin’ny governemanta, niatrika ny filan-kevitry ny minisitra voalohany izy ireo.

Nametrapetraka ny dinidinika sy ny fandaharanasa rehetra andrasana

amin’ireo minisitra rehetra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra.

 

Ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana, tsy mitanila lavitry

ny kolikoly.

Ny fampiakarana ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly ary hampiakatra ny

taham-pahalalan’ny ankizy mba tsy hiala an-daharana izy ireo. Fampiakarana ny

taham-pahalalan’ny mpampianatra FRAM.

Fanamafisana sy fandrindrana ny fampianarana ara-kasa sy ny filan’ny

tsenan’ny asa.

Tokony hatomboka avokoa ireo “barrages hydrauliques” rehetra.

Tokony ho voazara ara-potoana ny karaman’ireo mpampianatra sy ny

vatsim-pianaran’ireo mpianatra

Mila ampiakarina ny farim-pahaizan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite.

Mila atao ny fanamboarana sy fanatanterahana ireo oniversite manerana ny

faritra araka ny efa napetraka. Mila arindra ny olana sy ny fiainan’ny

mpampianatra sy mpianatra eny amin’ny oniversite.

Matoa natao mitokana ny minisitra lefitra misahana ny fanorenana tanana

vaovao sy ny toeram-ponenana dia ilaina ny fanafainganana sy ny fandrindrana ny asa ho haingana kokoa ary mila vokatra mivaingana hoy ny teny napetraky ny Filoha.

Ilaina ny fandrindrana ny hopitaly sy ny fandraisana an-tanana ireo marary

mba ho mendrika ny toeram-pitsaboana handraisana ny marary ary ho aingana sy manarapenitra ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana ireo marary.

Mila apetraka sy hamafisina ny fanaraha-maso ny sisin-tany manoloana ny

fihanaky ny valanaretina avy any Chine ary hanamafy izany ny minisiteran’ny

fahasalamana sy ny minisiteran’ny fitaterana rahampitso manerana ireo seranana rehetra na seranatsambo na seranampiaramanidina.