Taorian’ireo andrim-panjakana hafa toa ny Antenimierampirenena sy ny fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ary ny governemanta, tonga niarahaba ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny ihany koa androany teto Ambohitsorohitra ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona notarihan’ny filohany Rivo Rakotovao.

Taonan’ny asa tokoa ny taona 2020 vao manomboka ity hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. taona natao hiarahan’ny rehetra mibanjina ny ho avy sy hifanomezan-tanana ho an’ny tombontsoan’ny firenena irery ihany ka tsy anaovana ny tsy fitovian-kevitra politika ho vato misakana. Mijoro ho fitaratra amin’izany ny filohan’ny repoblika amin’ny alalan’ny fanantanterahana ireo velirano.

 

60 taona niverenan’ny fahalevantenan’i Madagasikara, taona zina ho an’ny Malagasy hanatanterahana ireo Velirano. Hahafahana manao jery todika ny lasa sy ny tantara ka handrefesana ireo lalana efa nodiavin’ny firenena. hijerena ny hatraiza ny efa vita ary hibanjinana ireo ezaka tsy maintsy atao hampamiratra marina an’i Madagasikara, hanoratana tantara vaovao.

Ny filohan’ny Antenimierandoholona kosa dia nanambara fa tsy vitan’ny hoe adidy fotsiny hoy no ifampiarahabana toa izao fa indrindra ho fanajana ny ray aman-dreny izay voafidim-bahoaka hitantana ny firenena  amin’ny maha tany repoblikana antsika. Nanamafy ny mahazava-dehibe ny tonon-taona toa izao ihany koa ny avy amin’ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy izay tonga niarahaba ny filoham-pirenena mivady androany maraina. Ary nirary fampandrosoana anatin’ny fanajana ny maha-Malagasy.

 

Judicaël Randrianirina