Mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana roa : ny antenimierampirenena sy ny Fitsarana Avo Momba ny lalam-panorenana na HCC, tarihin’ny filohany avy no tonga niarahaba ihany koa ny Filoham-pirenena mivady ny 8 janoary amin’izao fahatratrarana ny taona vaovao 2020 izao. Tamin’izany no nanambaran’ ny Filoham-pirenena fa ahazo ny anjara fampandrosoany avokoa ny distrika rehetra. Efa misy ny teti-bola amin’izany, hoy izy.

Nomarihiny fa teti-bola mitentina 5 milliara dolara no natokana entina hanamboarana ny làlana manerana ny kaomina ho amin’ity taona 2020 ity. Ary 800 tapitr’isa dolara no nomen’ny banky iraisam-pirenena entina hanohizana ny asa fampandrosoana efa natomboka. Hamatsy vola ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ihany koa ny fanjakana foibe.Tsy hisy ny distrika ho farahalahin’ny fampandrosoana intsony, hoy ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina.

Etsy ankilany, nangataka ny Filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Ranamahasoa, hisian’ny Fonds parlementaires d’investissements. Ahafahana mameno ny teti-bola efa misy amin’ny fampandrosoana indrindra ny “gouvernorat”.

Mbola ny 8 janoary ihany, tonga niarahaba ny Filoha mivady sy nirary soa azy ihany koa ny mpikambana 9 ao amin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana na HCC.

Naté RAKOTOMAVO