Fanavaozana ny teny nomena sy fifanomezan-toky vaovao ho an’ny fampandrosoana ny firenena, izay no hamehezana ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina sy ny governemanta tarihin’i Ntsay Christian

Ny tolakandron’ny 8 janoary 2020, nialoha ny filan-kevitry ny ministra no niarahaba sy nirary soa ny Filoham-pirenena mivady ny governemanta tarihin’i Ntsay Christian sy ireo ministra ao aminy, ho amin’ity taona vaovao ity.

Betsaka ny vita nandritry ny taona voalohan’ny asa ary mbola betsaka ny fanamby mila tanterahina. Nanavao ny teny nomena sy ny toky ho an’ny fampandrosoana ny firenena noho izany ny governemanta tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Christian Ntsay

Nanambara kosa ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina fa mbola betsaka ny asa miandry ho amin’ity taona 2020 ity indrindra amin’ny fiatrehana ny faha 60 taonan’ny nijoroan’ny fahaleovan-tena. Ilaina noho izany ny firaisan-kina ho an’ny fampandrosoana ny firenena, hoy izy.

Omby roa maneho ny Barean’I Madagasikara no natolotry ny governemanta ho an’ny Filoham-pirenena mivady teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ho firarian-tsoa ho azy ireo.

 

Naté RAKOTOMAVO