Tonga nitarika ny governemanta tamin’ny lanonam-panokafana ny fakan-kevitra nasionaly momba ireo Nosy Malagasy ao amin’ny ranomasimbe Indiana, teny amin’ny CCI Ivato, ny Praiminisitra Ntsay Christian.

 

« Ny hevitry ny maro mahataka-davitra », hoy ny Praiminisitra, ary efa mazava ny làlana tian’ny

Malagasy hizorana, ka ny tanjona hotratrarina dia ny famerenana ny fiandrianam-pirenena amin’ireo

nosy Malagasy efatra, dia ny nosy Sambatra, ny nosy Kely, ny nosy Bedinaky, ary ny nosy Ampela.

Nambarany koa fa ny tanjona manokana amin’izao dinika izao dia ny mba hahafahan’ny Malagasy

rehetra mitondra ny heviny satria tsy raharahan’ny fitondram-panjakana fotsiny, tsy raharahan’ny

fiaraha-monim-pirenena fotsiny, fa raharahan’ny Malagasy manontolo ny fitakiana ny famerenana

ireo Nosy ireo, ka izay hevitra rehetra misongadina azo raisina dia tena hapetraka, hanomanana sy

handrindràna ny fifampiresahana amin’ny Frantsay.

 

Fiandrianam-pirenena

 

  Mikasika ny fitakiana hatao dia nanazava ny Praiminisitra fa hatrizay dia teo anivon’ny Firenena

mikambana foana ny fitakiana nataontsika, ary ny Firenena mikambana dia mampirisika an-dry zareo

Frantsay hifampiresaka amin’ny Malagasy. Ny Filohan’ny repoblika dia nilaza fa tsy maintsy resahina

manomboka izao ny mahakasika ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin’ireo nosy ireo, ary dia

nanokatra vavahady vaovao nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoha Macron tany Paris, tamin’ny

volana mey lasa teo. Taorian’izay dia napetraka ny vaomieran’asa iombonan’ny roa tonta, ary isika

Malagasy dia mifototra amin’ny lalàna iraisam-pirenena, ny an’ny Frantsay kosa dia mbola mamerina

ny lalàn’ny fanajanahantany ka izay no antony mahatonga antsika mila hevitra maro, mila dinika toy

izao, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra tsy ho tompon-trano mihono fa mandray anjara tokoa

amin’ny ezaka ataontsika hamerenana ny fiandranam-pirenentsika amin’ireo Nosy ireo.

Nomarihin’ny Praiminisitra fa manoloana ny fikasan’ny Frantsay hametraka ivon-toerana fikarohana

ao amin’ny iray amin’ireo nosy dia samy manana ny tetiandro handaminany ny lafiny ara-politika avy

ny firenena roa tonta, ary samy efa nanaiky ny hifampiresaka ka amin’ny alalan’ny fifandresen-

dahatra no hirosoana amin’ny dingana manaraka.