Andriamatoa Naina Andriantsitohaina, ministry ny raharaham-bahiny teo aloha, mpandraharaha malagasy no kandida ho ben’ny tanana an’Antananarivo natolotrin’ny vovonana IRK eto an-drenivohitra.

Androany tolakandro no nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahana ho fidiana ho ben’ny tanana Atoa Naina Andriantsitohaina teo amin’ny PKO Soarano. Olom-baovao, tsy mpanao politika, mpandraharaha, vonona ny hitondra ny fampandrosoana ho an’ny tanan’Antananarivo izy, raha zoina ny lahateniny. Ny fiovan’ny tanana an’Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara no tanjony. Zanak’Antananarivo ihany no nalatsakin’ny vovonana IRK ho kandidany eto an-drenivohitra. Naina Andriantsitohaina, fantatrin’ny maro amin’ny maha mpandraharaha azy ary nitondra ny ministeran’ny raharaham-bahiny nandritrin’ny valo volana. Androany, nanao fanambarana izy fa hilatsaka ho kandida ho ben’ny tanana ny renivohitr’I Madagasikara. Ambetitenin’ity mpandraharaha Malagasy ity fa manana adidy amin’ny fanarenana an’Antananarivo izy. Manana andraikitra, ahatonga an’Antananarivo ho maha-te honina sy mampirehareha, raha ny fanambarany hatrany. Nanao velirano ho an’ny vahoaka izy androany noho izany. Tao aorinan’ny fanambarana tety amin’ny PKO Soarano, nihazo avy hatrany ny OVEC Nanisana ny kandida Naina Andriantsitohaina hametraka ny antotan-taratasy filatsahany ho fidiana ho ben’ny tananan’Antananarivo.

Naté RAKOTOMAVO