Manohana an’i Madagasikara ary mankasitraka manokana ny ezaka ataontsika amin’ny ady amin’ny kolikoly ny sampandraharaha Amerikana Millennium Challenge Corporation - MCC - MCC , izay mamatsy vola ireo firenena mamiratra amin’ny fahaiza-mitantana ara-politika sy manao ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toe-kareny.
Nataoko laharampahamehana sy nanomezako toromarika manokana raha vao nandray ny fitantanana ny firenena aho ny hanaovana ny ezaka rehetra hamongorana ny kolikoly sy ny hametrahana ny fanjakana tsara tantana.
Hita maso ny ezaka ataontsika amin’ny fametrahana ny tany tan-dalana, ny fanjakana marin-toerana sy ny fanajana ny demokrasia hoy ny Tale Jeneralin’ny MCC, Alice Patterson Albright. Mahafeno ny antsasa-manilan’ireo fepetra takian'ny MCC i Madagasikara mba hidirana ho isan’ireo firenena hisitraka ny famatsiam-bola avy amin’izy ireo. Ary tsara toerana ao anatin’izany isika.