Raha mbola teo am-piatrehana ny krizy ara-pahasalamana naharitra roa taona, krizy namely an’izao tontolo izao ary nampitondra faisana hatramin’ireo firenen-dehibe i Madagasikara dia efa nianjadian’ireo loza voajanahary sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro ihany koa.

Teo ireo rivodoza nifanesy, ireo tondra-drano sy ny haintany.

Taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza dia nametraka ny Drafi-panarenana Nasionaly na ny PNR isika. Ary niaraha-nidinika tamin’ny filohan’ny Banky iraisam-pirenena, David Malpass sy ny Tale Jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva izany ankehitriny nandritra ny fihaonanay teto Washington DC.

 

Tetikasa maro, hitondra fanovana hanarenana ny firenentsika no voafaritra anatin’izay drafitra izany toy ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy, ny rano, ny trano fonenana, ny fanabeazana, ny fanavaozana ny fitantanambolam-panjakana ary ny fahasalamana.

 

Mihamafy, ary mahazo aina vaovao ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny USAID.

Mpiara-miombona antoka akaiky sy mahatoky ny firenena Malagasy ny USAID nandritra izay taona maro izay.

 

Teo anilantsika ary nanohana antsika mandrakariva amin'ny sehatr'asa maro fa indrindra amin’ny famahana ireo olana maro mianjady amin'ny mponina any atsimon'ny Nosy. Tamin’ity fihaonako tamin’i Samantha Power, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny USAID, teto Washington DC ity dia natao jery todika ny fiaraha-miasa hatrizay.

 

Ary tapaka fa hanome famatsiam-bola fanampiny ho antsika ny USAID hanantanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy hanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina