Nanome voninahitra ny fivoriana voalohany notanterahin’ireo Loholon’i Madagasikara vaovao 18 mianadahy, ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny mpiakambana sasany ao amin’ny governemanta, tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona Anosikely, ny 19 Janoary 2021.
Nananganana ny birao maharitra sy ireo vaomiera izany fivoriana izany, ary natomboka tamin’ny fifidianana ny Filohan’ny Antenimieran-doholona.
Lany 100 % ho filohan’ny Antenimieran-doholona, tamin’ny alalan’ny latsa-bato miafina, ny kandidà tokana, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana. Toky no nomeny ho an’ny Praiministra sy ny governemanta fa hifanome tànana sy hanao izay azo atao amin’ny fiaraha-miasa ny Antenimieran-doholona hotantanany. Vonona ireto Loholona vaovao ireto hijery miaraka ny vahaolana samihafa sy hampandany ireo lalàna mifanandrify amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
Niarahaba azy 18 mianadahy loholon’i Madagasikara izay voafidy sy voatendry, ny Praiministra ary niarahaba manokana ny Filohan’ny Antenimieran-doholona. Miaina ao anatin’ny tany tan-dalàna isika, hoy ny Lehiben’ny governemanta, ka ao anatin’izany ny fanajana ny fisian’ny fifandimbiasan-toerana eo amin’ny Andrim-panjakana rehetra toy ny eo anivon’ny Antenimieran-doholona. Inoana sy antenaina fa raha ny tombontsoa ambonin’ny firenena no trandrahina sy jerena hatrany, dia hiroso tokoa amin’ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy isika, hoy ihany ny Praiminisitra.
Mahakasika ny raharaham-pirenena ankapobeny, dia nanterin’ny Praiministra, araka ny efa voalazan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika hatrany, fa “atokantsika manokana ho fanatanterahana ireo vina maro samihafa, indrindra ireo “engagements” maro ity taona ity”. Nambarany fa “ny firosoantsika amin’izany dia antoka fa hitondra vahaolana isika amin’ireo olana samihafa atrehin’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao; anatin’izany ny tsy fananana asa, ny fidàngan’ny vidim-piainana, ny tsy maintsy hitsinjovana ireo tambanivohitra toy ny amin’ny tsy fahampian-drano sy ny maro hafa, ny any Atsimo manokana ihany koa indrindra fa ny fandrindrantsika ny ezaka mahakasika ny ady ataontsika amin’ny valan’aretina corona virus.”
Momba ny valan’aretina coronavirus, efa voalazanay ombieny ombieny, hoy ny Praiministra fa mbola tsy mifarana ny ady atao ary hofehezina araka izay azo atao ny valan’aretina. Nohamafisiny àry fa ny fanajàna ny fepetra efa napetraky ny fitondram-panjakana dia fomba andraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara amin’izany ady izany. Ka tokony harahin’ny vahoaka Malagasy hatrany, ny toromarika omen’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Araky ny andininy faha 81 ao amin’ny lalàmpanorenana sy ny andininy faha 7 vaovaon’ny lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha 2015-007, ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara dia manendry ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona ireto manaraka ireto:
- Andriamatoa IMBIKI Herilaza;
- Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana
- Andriamatoa ANDRIANANDRASANA HajaniainaTahina
- Andriamatoa NDREMANJARY Jean André
- Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Richard Victor
- Andriamatoa RAMANAMBITANA Richard Barjohn