Nidoboka am-ponja ny alahady 10 Janoary 2021 ireo olona 8 tafiditra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena milanja 73, 5kg tratra tany Afrika Atsimo ny fiandohana taona teo. Naharitra 2 andro mahery ny Famotorana natao teny anivon'ny PAC. Araka ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Fitsarana dia nanomboka ny zoma tolakandro ny fanadihadiana natao tamin’izireo ary ny maraina ny sabotsy hifoha alahady efa tamin'ny 3 ora sy sasany maraina vao vita izany.
Am-polony mahery ireo olona no nohenoina ka ny 8 tamin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika. Ny lehilahy 7 nalefa avy hatrany any Tsiafahy ary vehivavy iray etsy Antanimora. Ireto avy izy ireo : RAKOTOARIVELO Maholiarimino Riana (agent commercial STA) izay hany tokana nampidirina am-ponja eny Antanimora RABEFANIRAKA Alain (sekretera Jeneralin’ny ACM ) FENO Valérie (responsable opération STA) RANDRIAMPARANY Tiana Minosoa (directeur technique STA) RAKOTOMALALA Gaël (pilote de STA ) RAKOTOMALALA Kasaina (pilote de STA ) Ary ireo 2 lahy tsy niakatra tamin’ilay fiara-manidina nihazo an’i Afrika Atsimo dia i RASAOMELINA Lala Iandry Nirina sy IASIMANANA Yau Cyrille. Fandikan-dalàna momba ny fadin-tseranana, fandikan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany, fanaovana hosoka amin'ny taratasim-panjakana, fanaovana kolikoly na mivantana na an-kolaka, fanondranana volamena an-tsokosoko, no vesatra hiampangana azy ireo.
Nikasa hamono tena
Raha ny fantatra araka ny loharanom-baovaonay dia nikasa hitsambikina avy eny amin' ny varavarankelin'ny toeram-pitsarana i Andry Rasamoelina nandritra ny fotoana nihainoana azy. Voasakana ihany anefa izany fikasany izany. Izy moa izay isan'ireo nahiditra eny Tsiafahy tato anatin'izao raharaha mafana izao. Tsy mijanona hatreo ny raharaha fa mbola mitohy ny fanadihadiana, raha ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Fitsarana. Fantatra ihany koa fa efa mandeha ny fangatahana ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana (demande d'extradition) ho an'ireo olona mbola tazonina atsy Afrika Atsimo. Ny Ministeran'ny Fitsarana no nanao ny fangatahana ary mampita izany amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ity farany no mandefa azy any amin'ny Masoivoho izay mampita izany amin'ny Fanjakana Afrikana Tatsimo.
Hampodiana eto Madagasikara
Mikasika ny famerenana ireo volamena eto Madagasikara kosa dia noraisin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Oliva, ny tolakandron’ny alahady 10 Janoary tetsy Anosy ny mpiraki-draharahan’ny Masoivohon’ny Afrika Atsimo. Araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena, nangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta ny fitondrana malagasy, mba hamerenena ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara sy ireo izay tratra tany Afrika Atsimo
Tsy mbola voaporofo ary heverina fa fanodikodinana resaka kosa ny filazana izay misy minia manaparitaka amin’izao fotoana izao, fa avy any Mali indray ireo volamena ireo fa tsy avy eto Madagasikara.
Miarivola TSIFERANA