Renim-pianakaviana iray no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 23 novambra 2020 noho ny fisolokiana nataony tamin’ny fikambanana tsy miankina mpanao asa soa iray any ivelany sy eto Madagasikara. Mbola karohina kosa ny renim-pianakaviana iray izay ati-doha nikotrika ity fandikan-dalàna ity araka ny loharanom-baovao mari-pototra azon’ny mpanao gazetinay.
Ny zanakavavin’ny iray tamin’ireto renimpianakaviana roa no nataony fitaovana hanaovana hosoka ara-taratasy ary hanambarana aretina tsy misy akory no. Izany no fomba nentin’ireto renim-pianakaviana roa nisoloky hakàna vola amina fikambanana sy olontsotra maro araka ny loharanom-baovao iray. Voalaza fa ny zanaka vavin’ilay renim-pianakaviana efa naiditra am-ponja androany 23 novambra 2020 no fototra niaingan’ilay fisolokiana. Nambaran’ireto renim-pianakaviana roa samy hafa nefa mpiray tsikombakomba fa marary fo ilay zazavavy ka tsy maintsy ilaina fandidiana maika any ivelany. Efa nisy taratasina marary fo tany aloha no novain’izy ireo ny anarany ary io no nentiny nanambaka olona maro sy fikambanana mba ahazoana volabe.
Anisan’ireo voafitana ny fikambanana mpanao asa soa iray avy eto Madagasikara ary ny iray any ivelany izay voafitaka ka niezaka nanampy azy ireo. Nisy mihitsy ny fandaniam-bola antapitrisany maro tsy maintsy nataon’ireo fikambanana ireo. Ny fikambanana izay nangataka fanampiana tamin’ireo mpiara-miopmbon’antoka aminy avy eto an-toerana sy avy any ivelany toa ny any Thailand sy Dubai.
Taty aorian’izay, raikitra fa alefa hiatrika fandidiana tany ampitan-dranomasina ilay zazavavy ary ny reniny no hanaraka azy. Niantohan’ireo fikambanana ireo avokoa ny vola nilaina tamin’izany. Hôpitaly telo samy hafa no nifandimby nanao ny famerenana ny fitiliana nefa tsy nahitana soritr’aretina ilay zazavavy na dia kely monja aza hoy ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny fo.
Samy gaga ny rehetra hoy ireo fikambanana ary nangataka ny fanokafana fanadihadiana lalina mikasika ilay atontan-taratasin’ilay zazavavy. Nandray an-tanana ny raharaha ny zandary ao avo amin’ny fikarohana « Heloka bevava » etsy Fiadanana nanomboka ny talata 17 novambra lasa teo.
Tafaporitsaka any ivelany
Niaiky ilay renin’ilay zazavavy fa sandoka avokoa ireo taratasy nampiasain’izy ireo nentina nivoaka tany ivelany sy nakàna vola tsy ara-drariny. Nambarany araka ny loharanom-baovao fa misy renim-pianakaviana iray no ati-doha nikotrika ity raharaha ity izay efa tafaporitsaka any ivelany. Niakatra fampanoavana androany maraina tetsy Anosy ny raharaha. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay renin’ilay zazavavy raha toa ka mbola nanao fangatahana amin’ny hanaovana fikarohana iraisam-pîrenena momba ilay renim-pianakaviana ati-doha nanao ny taratasy hosoka kosa ireo fikambanana tsy mpanao asa soa ireo.
Jean Claude RANDRIAMALALA