Voasonia tsy nahy ny famarotana ny « Villa Elisabeth » etsy Ivandry hoy ny Praminisitra lefitra teo aloha nisahana ny fananan-tany Reboza Julien nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny onjam-peo iray any amin’ny faritra. Valin-teny izay somary nampitolagaga sy nampalasa vinany ny mpanara-baovao.

« Manasonia taratasy famarotana tanim-panjakana 150 isan’andro aho teo aloha, ary tsy fantatro mihitsy hoe tao anatin’ireo ny an’ny Villa Elisabeth », hoy ity tompon’andraikitra teo aloha ity.

Maha te hanontany hoe vazivazy ve ilay fanambarana ? Ampahamatorana tanteraka sy  anatin’ny fahatongavan-tsaina ve ity tompon’andraikitra ity amin’ ny valinteny nataony momba ny raharaha izay mahavoasaringotra azy sa mihevitra ny olona ho bado ka afaka fitahina amina resa-jaza toy izao ?

Anjaran’ny tsirairay ny mamaly izay.

Na izany aza, raharaha mavaivay izy ity ary tompon’andraikitra ambony no voasaringotra

“Tafasisika ilay dosié Villa Elisabeth” tamin’ny taona 2014 Raha ny fanazavana nentin’i Praiminisitra lefitra teo aloha hatrany. Tsy nahalala ny fisian’ny soniany izany ity tompon’andraikitra ity raha tsy tamin’ny taona 2017 nipoahan’ny raharaha.

Mampametram-panontaniana ihany koa arak’izany ny fomba fiasan’ity Praiminisitra lefitra teo aloha nisahana ny fananan-tany ity. Fa angaha moa tsy vakiana ireo taratasy soniavina ?

Namaly ny praiminisitra lefitra teo aloha fa miisa 150 fara-fahakeliny ny isan’ny tanim-panjakana azon’ny minisitry ny fananan-tany amidy isan’andro ary efa fanaon’ireo mpitantana ny ministera hatramin’izay izany.

Raha raisina amin’ny fomba tsotsotra dia hoe efa nahazatra azy ireo izany ny fanaovana asan’ny kamo. Tanim-panjakana firy ihany koa no mety efa lafo tsy nahy toa izao raha izany tokoa no marina?

Tsiahivina, efa nandalo teny amin’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly ny raharaha Villa Elisabeth. Olona roa no efa nidoboka am-ponja vonjy maika. Ny momba ny praimisitra lefitra teo aloha kosa dia mbola miandry ny fiakaran’ny raharaha eny anivon’ny HJC na ny Haute Cour de justice. Asa raha mety handefa azy any am-ponja “tsy nahy” ihany koa ity rafitra ity.

Sahy Sylvain