Matoky an'i Madagasikara ireo mpampiasa vola ao anatin'ny vondron'ny mpandraharaha sy mpampiasa Frantsay MEDEF ankehitriny. Solontena avy amin'izy ireo nahitana orinasa Frantsay 30 no nihaona tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina tetsy amin'ny lapam-panjakan' Iavoloha ny 7 ôktôbra maraina.
Vonona ny hisehatra eto amintsika ny MEDEF raha ny nambaran'ny ireo. Ny filoham-pirenena kosa dia nanamafy fa hanatsara hatrany ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny fanjakana mba hahasarika ireo mpampiasa vola.
Raha tsiahivina, efa-bolana lasa izay, nandritra ny diany tany Frantsa no nihaona sy niresaka tamin'ireto mpandraharaha vahiny mpikamban’ny MEDEF ireto ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Nampahafantarany azy ireo ireo tetik'asa sy ny vinan'i Madagasikara ny hisandratra ara-toekarena. Tamin'izany no efa nanehoany tamin'ireo vahiny fa misokatra amin'ny fifandraisana ara-toekarena I Madagasikara ary mametraka ny fepetra hanatsarana ny fampiasam-bola ny fanjakana. Androany, tonga eto amintsika ireto mpampiasa vola sy mpandraharaha ireto, ary nanamafy hatrany ny fahavononan'i Madagasikara hanatsara ny sehatry ny fampiasam-bola ny filoham-pirenena.
Mafonja ny delegasion'ireto vondrona orinasa sy mpampiasa Frantsay tonga eto ireto. Ary hihaona sy hiresaka mivantana amin'ireo mpandraharaha Malagasy izy ireo hijery ny zava-misy sy ny ho fiaraha-miasa. Tsy nisalasala koa izy ireo nanambara fa mahaliana sy iseharan'izy ireo avokoa ny sehatra ara-toekarena rehetra misy eto amintsika.