Nitsidika ny vala Armor, fiompiana omby lehibe, ihany koa izahay mivady amin’izao dia eto Antsirabe izao. Eto no misy ireo omby vavy be ronono, « Normande » sy « Montbeliarde » izay nafaran’ny fanjakana Malagasy mialoha ny hanolorana ireo mpiompy azy ireto.

Tokony hamokatra ronono hatramin’ny 30 litatra isan’andro ireto omby ireto, izay hamidy amin’ny orinasa Socolait amin'ny vidiny 1500 Ariary.