Efa 42 taona lasa izay, ny taona 1979 sy 1980 no nisy ny fanapahan-kevitry teto anivon’ny Firenena Mikambana ny hamerenana ireo Nosy Malagasy ho an’i Madagasikara. 42 taona aty aoriana mbola tsy tanteraka ny famerenana amin’ny Malagasy ireo nosiny ireo. Antso avo araka izany no nataoko teto anivon’ny Firenena Mikambana ny mba hanara-maso ny fizotry ny asa tanterahin'i Madagasikara sy Frantsa amin'ny komisiona hiarahan'ny roa tonta ho fampiharana ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana. Ara-drariny tanteraka no hitakiantsika izany ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fiandrianam-pirenena izay vatofototry ny fisandratan’i Madagasikara.

Niraisan’ireo firenena rehetra nandray anjara amin’ity fivoriambe andiany faha-76 an’ny Firenena Mikambana ity ihany koa ny fitadiavam-bahaolana amin'ny fanarenena eo amin'ny lafiny ara-toekarena sy sosialy taorian'ny Covid-19. Ho an’i Madagasikara manokana dia tsy nitsahatra ireo asa fampandrosoana natao ho an’ny vahoaka na teo aza ny valan’aretina. Nitohy ny fanatanterahana ireo Velirano. Isan’ny mbola ady goavana sy fanamby lehibe atrehin’i Madagasikara kosa amin’izao fotoana izao ny fanarenana ny faritra atsimon’ny nosy izay ianjadian’ny tsy fanjariantsakafo. Tetikasa goavana maro no entin’ny fitondram-panjakana hanampiana ireo mponina mijaly noho ny haintany. Adidin’ny mpitondra rehetra maneran-tany ny miaro ny vahoakany ka nanaovako antso avo teto ny tokony hiezahan’ny firenena tsirairay hanova fihetsika sy ho entitra amin'ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro mba tsy ho herim-po very maina ireo ezaka atao.